Tolotra
Ny tolotra misy ato aminay
Fandraisana ao amin’ny foibe
Ny Fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody dia afaka mandray ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, manomboka ny talata ka hatramin’ny sabotsy. Jerena manokana ny olona tsirairay amin’izay fandraisana an-tanana sahaza azy, ka afahana mitazona arak’izay azo atao ny fahaleovantenany sy ny fitadidiana mbola misy ao aminy.
Ny Fikambanana dia mandray ihany koa ireo zokiolona tomady izay maniry hanana zavatra atao mba tsy ampitokamonina azy rehefa misotro ronono. Mitovy ny tanjona tratrarin’ny fikambanana amin’ireo sokajin’olona samihafa ireo, dia ny hamaha ny geja 3 mety hamatotra azy : « Fitokanamonina – Fahaketrahana – Aretina ».
Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia antsoy ny : +261 34 45 673 69 na +261 34 22 612 02
Fitsidihina any antrano
Ny Fikambanana Madagascar Alzheimer dia afaka ihany koa manao fitsidihina any an-trano mba hisian’ny fifandraisana sy fifanakalozan’ilay marary tsy afaka mankany amin’ny fikambanana, amin’ireo mpanentanana.
Fampiofanana
Ireto ny tanjona amin’ireo karazana fampiofanana atolotray :
- Fampiofanana « Tehina » : ho fanampiana an’ireo fianakaviana manana marary ka maniry ny hisento kely, dia mampiofana ny atao hoe « Tehina » ny Fikambanana Madagascar Alzheimer, izay olona natao hisahana sy hikarakara manokana ny olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy izay efa mihena ny fahaleovantenany.
- Fampiofanana ny fianakaviana mitaiza marary : mba afahan’ireo fianakaviana mamantatra misimisy kokoa momba ny aretina sy ny vokatra entiny eo anivon’ny fiarahamonim-pianakaviana, dia manolotra fampiofanana natao manokana ho an’ny fianakaviana mpitaiza marary, ny fikambanana Madagascar Alzheimer.
Dinika tora-po
Isakin’ny sabotsy faran’ny volana no atao ny fihaonan’ireo fianakaviana mitaiza marary (na efa nitaiza marary taloha), anatin’ny « Dinika tora-po » izay natao hifampizarana ny olana sy ny vaha-olana amin’ny andavanandron’ireo mpitaiza. Mitondra vesatra ara-tsaina ho an’ny mpitaiza koa manko ny fiainany miaraka amin’ny olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, ka ilain’izy ireo tokoa ny mizara izay tsy zakany amin’ny olona mitovy olana aminy.
Fampahafantarana sy fanairana
Anisan’ny andraikitra lehibe iray sahanin’ny fikambanana ny fampahafantarana sy fanairana ny olona rehetra momba ny fambara 10 tokony hahamailo mahakasika ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, ary mifandray amin’izany ny fanesorana ny henatra manodidina an’ireo aretina ireo, mba tsy hiafara amin’ny fanilikilihan’ny fiarahamonina ny marary sy ny fianakaviany. Ny fahafantarana tsara kokoa ny aretina dia mitarika amin’ny fandraisana antanana tandrify sy mendrika kokoa ho an’ilay marary. Ezahan’ny fikambanana no manaitra ny rehetra mba andray anjara misimisy kokoa amin’ny fanatsarana ny fiainan’ireo marary.
Misy ny hetsika maro isankarazany mandritry ny taona, izay karakarain’ny fikambanana, mba ho fampahafantarana sy fanairana, indrindra mandritrin’ny volana Septambra izay volana erantany iadiana amin’ny aretina Alzheimer, ka ahitana hetsika maro dia maro, toy ny ataon’ireo fikambanana hafa any ivelany.
Ny fikambanana dia mandray mandavataona ihany koa ny olona tsirairay izay manoratra, miantso na tonga mivantana manontany hevitra.
Manohana anay
Ny mpiara-dia aminay
Noho ny tsy fahampian’ny entimanana, dia tsy afaka ny androso amin’ny asany ny fikambanana raha tsy misy ny fanohanana avy amin’ireo mpiaramiombon’antoka, izay hisaorana feno noho ny tolotanana ataony !
-
Alzheimer’s Disease International
Fondation Axian
ASOMA Masoandro Mody
Club 1808
Klung Malagasy
Rebareba Madagascar
CECT et CDN+, Dr RAHARISON Andrianaina
GNTP
Cabinet Abita