Ny tetik’asanay

Ivo toerana Ankadiefajoro

Anisan’ny tetikasa goavana indrindra hirian’ny fikambanana ho tanterahina, ny fananganana ivo toerana fandraisana ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, ary ny fianakaviany, sy ireo zokiolona, eny amin’ny tanin’ny fikambanana eo Ankadiefajoro (Atsimondrano). Tsy ampy ny entimanana ka tsy mbola afaka notanterahina izany tetik’asa izany, saingy efa antaonany maro izay ny fikambanana no manao izay tratrin’ny heriny (miaraka aminy tolotanan’ireo izay tsara sitrapo) mba hanajariana hatrany ny taniny. Anisan’ny asa efa vita eny antoerana : fanarenana ny tany sy fametrahana tamboho biriky amin’ny ampahany, fambolena legioma, fambolenkazo. Ao ihany ny nahavitana trano fialofana sy fanaovandakozia ary trano fivoahana izay natao ho an’ireo zokiolona tonga manao fitsangatsanganana isam-bolana eny antoerana.

Ary farany, dia misy ny lavadrano izay natao ho fanampiana amin’ny asa fambolena, saingy ritra teny ampandehanana ny loharano ka mbola hitadiavana vaha-olana. Raha misy ny tianao hanampiana ny fikambanana amin’ny tetikasany eny Ankadiefajoro, dia manorata amin’ny : [email protected]

Plan national
Plan National

Politika Nasionaly

Tsy mbola misy eto Madagasikara ny politika nasionaly mifehy ny aretina Alzheimer sy ny aretina toa azy. Raha misy ny firesahana izany dia tena zara raha mandalo kely fotsiny, ao anatin’ny politikan’ny fahasalaman’ny saina na ny politika ny fahasalaman’ny zokiolona, izay mbola mila fanavaozana ihany koa ary. Fantatra anefa fa mihamitombo hatrany ny isan’ireo olona ahiana ho voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy erantany, ary tafiditra anatin’izany Madagasikara. Ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody dia maniry ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny fametrahana izany politika nasionaly manokana izany ho laharampahamehana.

Politika nasionaly, ho atao inona ?

Ny politika nasionaly izay hatsangana miaraka amin’ny mpiatsehatra voakasika, izany hoe ny fikambanana misahana ny aretina Alzheimer, ny olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, ny mpiaramiombon’antoka sy ny manampahaizana manokana hafa rehetra, dia afaka manolotra rafitra afaka mamaly filàna maro karazany :

  • Mamelatra misimisy kokoa ny fanairana sy fahampanfatarana ny aretina Alzheimer sy aretina toa azy,
  • Mandinika sy manangona ny tolotra misy izay tandrifin’ny dingana samihafa mety andalovan’ireo marary,

  • Mamaritra ny isan’ny olona voan’ny aretina Alzheilmer na aretina toa azy sy ny fanamby voatery atrehany

  • Mamaritra sy manatsara ny fandraisana ara- pitsaboana medikaly, sosialy ary koa ny fanampiana hafa ilaina amin’ny fotoana lavitr’ezaka.

  • Maminavina ny tolotra misy amin’ny lafin’ny fitiliana.

  • Mamporisika ny ezaka amin’ny lafin’ny fahasalamambahoaka
    manodidina ny atidoha, ary ny amin’ny lafin’ny paikady ho fanalavirana ireo aretina.

Tetik’asa Fizahana

Ny fikambanana Madagascar Alzheimer diamiezaka manantateraka ny fanametrahanatoerana fanaovana fizahana ara-pahasalamana ao amin’ny foibeny ao Fenomanana Mahazoarivo, izay ho an’ny mpikambany sy ho an’ny daholobe (fitsaboana ankapobeny), ary hisy ihany koa rafitra fanaovana ny fitiliana tsotra voalohany amin’ny fitadidiana (« test MMSE »), ho an’izay mila izany.

Tetik’asa Fitanterana

Ny Fikambanana Madagascar Alzheimer dia mahatsikaritra fa maro ireo fianakaviana manana marary izay maniry ny ampiditra ny havany marary ho mpikambana hisitraka ny fandraisana an-tanana atolotrin’ny fikambanana, saingy ny fitanterana foana no olana miverimberina tsy afahan’izy ireo manao izany. Ny tanjon’ity tetikasa iray ity dia ny hisian’ny fitanterana afahana maka sy manatitra ireo mpikambana sahirana. Raha misy ny fanampiana everinao entina amin’io tetikasa, dia manasa anao hifandray aminay.

Consultation