Miaraka tsy mifanary
Mitsabo tsy mamoy fo
Nanomboka tamin’ny taona 1993, ny ONG Madagascar Alzheimer Masoandro Mody no niasa ho an’ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, sy ho an’ny fianakaviany, ary ny zokiolona amin’ny ankapobeny.
Ny fikambanana dia mpikambana ao amin’ny FIZOMA na Firaisamben’ny Zokiolona eto Madagasikara, ary ao amin’ny Federasionina Alzheimer’s Disease International.
Hanohana anay Alzheimer, inona tokoa ?
- Hatramin’ny 27 Aprily 1993
- Fenomanana Mahazoarivo, Antananarivo
- Mpikambana ao amin’ny Alzheimer’s Disease International
Ny fikambanana
Tantaran’ny fikambanana
Tamin’ny 27 Aprily 1993 no natsangan’i Yollande RASON-ANDRIAMARO, Filoha Mpanorina, ny Fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody. Ny fitaizana ny reniny izay tratrin’ny aretina Alzheimer dia nitondra fijalian-tsaina sy havizanana, noho tsy fahafantarana mihitsy ny momba izany aretina izany tamin’ny fotoana androny.
Mba ho fanampiana ny olon-kafa mety manana havana marary ka tsy mahita izay tokony aleha sy atao, no nahatonga ny Filoha Mpanorina sy ny rahavaviny nifanome tanana ka nanangana ity Fikambanana voalohany eto Madagasikara, misahana ny mararin’ny Alzheimer sy ny aretina toa azy, ary misahana ihany koa ny zokiolona amin’ny ankapobeny, mba tsy ho tapaka ny fiainan’izy ireo amin’ny lafiny ara-tsosialy.
Asa sy tanjona
Tanjona
Ny tanjon’ny fikambanana dia ny hamaha ny geja 3 izay matetika mahamatotra ny marary, ny fianakaviany ary koa ny zokiolona amin’ny ankapobeny : « Fitokanamonina – Fahaketrahana – Aretina »
- Fitokanamonina
- Fahaketrahana
- Aretina
Asa sy tanjona
Ny asanay
Ny asa tena sahaninay :
- Manolotra sehatra sy fiarahamonina miaraka amin’ny fepetra tandrifiy ho an’ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy
- Manabe, mampiofana sy manohana ny fianakaviana momba ny aretina sy ny fepetra tsara raisina anatin’ny fitaizana marary
- Mampahafantatra sy manaitra ny vahoaka momba ny aretina mba tsy ho tonga amin’ny fanilikilihana ny marary anaty fiaraha monina
- Manampy arak’izay azo atao mba hitazomana ny fahaleovantena ara-tsaina sy ara-batana an’ireo marary sy ireo zokiolona
- Mitazona arak’izay azo atao ny fahafahan’ireo zokiolona misehatra amin’ny fiainam-piarahamonina eny na dia efa misotro ronono aza
Atomboy
Mahatsikaritra fiovana eo amin’ny fihetsik’iny havanao ve ianao ?
Dinio raha sendra tafiditra anatin’ny fambara momba ny aretina Alzheimer izany.
Mitsidika anay
Ora fisokafan’ny birao
Afaka mitsidika ny biraonay ianao amin’ny ora fisokafana raha liana momba ny asan’ny fikambanana na maniry hitsidika ny ivo-toerana fandraisana ireo zokiolona sy marary.
- Alatsinainy
- 08h00 - 16h30
- Talata
- 08h00 - 16h30
- Alarobia
- 08h00 - 16h30
- Alakamisy
- 08h00 - 16h30
- Zoma
- 08h00 - 16h30
- Sabotsy
- 08h00 - 11h30
- Alahady
- Mikatona
LOT VK 70 Fenomanana Mahazoarivo, Antananarivo
Ny ekipa
Mpikambana mandrafitra ny birao
-
RASON-ANDRIAMARO Yollande
Filoha Mpanorina
-
RAHELIMALALA Sahondranirina
Mpitam-bola
-
RASON-ANDRIAMARO Muriel
Mpiandraikitra ny serasera
-
RAKOTOZAFY Sylvia
Mpiandraikitra ny fianakavian’ny marary
-
RAKOTOMALALA Raymond
Mpiandraikitra ara-teknika eny Ankadiefajoro
Ao amin’ny gazety
Miresaka momba anay izy ireo
-
Newsmada · 10 Septambra 2026
Fanabeazana momba ny Alzheimer : niofana ho lasa mpampiofana ny zokiolona miisa 20
Vakio ny lahatsoratra -
Midi Madagasikara · 31 Aogositra 2023
Madagascar Alzheimer Masoandro Mody : un groupe de parole destiné aux familles des patients
Vakio ny lahatsoratra -
MATV · 28 Aprily 2017
Alzheimer : formation des « auxiliaires de vie spécialisés »
Vakio ny lahatsoratra -
MATV · 22 Septambra 2015
Centre de ressourcement des personnes âgées : l’ONG Madagascar Alzheimer réitère son appel aux généreux donateurs
Vakio ny lahatsoratra
Manohana anay
Ny mpiaradia aminay
Noho ny tsy fahampian’ny entimanana, dia tsy afaka ny androso amin’ny asany ny fikambanana raha tsy misy ny fanohanana avy amin’ireo mpiaramiombon’antoka, izay hisaorana feno noho ny tolotanana ataony !
-
Alzheimer’s Disease International
Fondation Axian
ASOMA Masoandro Mody
Club 1808
Klung Malagasy
Rebareba Madagascar
CECT et CDN+, Dr RAHARISON Andrianaina
GNTP
Cabinet Abita
Fanampiana sy fanohanana
Eto izahay hanampy anao
Tsy irery ianao. Na miaina miaraka amin’ny aretina Alzheimer ianao na mikarakara olona voan’ny aretina Alzheimer, dia misy fampahalalana sy tolotra samihafa azonay omena anao.