logo madagascar alzheimer

Ny fomba hanampianao anay

Devenir membre

Midira ho mpikambana « Sakaizan’ny MASOANDRO MODY »

Ho mpikambana mavitrika mirotsaka antsitra-po ianao, manolotra fotoana na fahaizana manokana, na koa afaka mahampahafantatra ny asa sy hetsika ataon’ny fikambanana mandavataona, amin’ireo olompatatrao
Événement spécial

Mandraisa anjara amin’ny hetsika

Na hetsika fanairana sy fahampafantarana ny aretina, na hetsika fitadiavambola, dia mandray anao hatrany ny fikambanana raha toa ianao maniry hanome tanana.
Faire un don financier

Manaova tolo-tanana tokana

Manolatra fanampiana ara-bola ianao izay mety indray mandeha mandalo, mba ho fanampiana ny fikambanana amin’ny fandaniana maro mila atrehany mba hampizotra ny asany amin’ny tokony ho izy.
Faire un don matériel

Manolora fitaovana na/sy akora

Sakafo, fitaovana isan-karazany, sns : mandray izany antanandroa ny fikambanana ho fanampiana an’ireo tetikasany maro, ary tsara ho fantatra fa na fitaovana efa niasa aza, dia raisin’ny fikambanana avokoa ho avaoziny sy ho ampiasainy amin’ny asa fanorenana isankarazany, indrindra ho an’ilay tetikasany eny Ankadiefajoro.
Devenir membre amis

Midira ho mpanohana maharitra

Manohana ny fikambanana amin’ny alalan’ny fandrotsahana fanampiana ara-bola maharitra ianao, arak’izay fahefanao. Hilazàna vaovao matetika momba ny fiainan’ny fikambanana ianao.
Donnez de la visibilité à l’association

Manampia amin’ny fampahafantarana ny fikambanana

Ny firesahanao momba ny fisian’ny fikambanana amin’ireo olompatatrao (fianakaviana, mpiara miasa, namana, sns...) dia manampy be ny fikambanana satria maro ireo izay mbola tsy mahalala ny fisiany kanefa mila ny tolotra ao aminy

Misaotra anao izahay

Afaka manome tolo-tanana ara-bola ianao amin’ny alalan’ny Mvola : +261 34 45 673 69 (Muriel – Serasera) / +261 34 50 747 95 (Sahondranirina – Mpitam-bola) na amin’ny kaontinay any amin’ny banky.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao amin’ny fomba tsara indrindra afahanao manampy anay, dia antsoy izahay : +261 34 22 612 02 na manorata  : [email protected]

Mankasitraka indrindra amin’ny fanohananao !