Ny hetsikin’ny Fikambanana
Fetin’ny Renibe
Fantatrao ve fa ny fetin’ny Renibe dia ankalazaina isakin’ny Alahady voalohan’ny volana martsa ? Fotoana iray hanomezana voninahitra an’ireo renibetsika, ary maneho ny fitiavantsika azy ireo. Efa amantaonana maro no hankalazain’ny fikambanana ny fetin’ny Renibe, ary ny fanaovana kilalao « Loto » ho an’ny rehetra no anisan’ny tena mampiavaka ny hetsika ataon’ny fikambanana amin’io andro io. Manasa anao handray anjara amin’ny hetsika !
Tsingerintaona ny Fikambanana
Ny faha 27 ny volana aprily no tsingerintaonan’ny fikambanana, izay hankalazaina@fomba tsotsotra miaraka amin’ireo mpikambanana mpisitraka sy mpikambanana mavitrika. Misy fotoana ihany koa anefa hanaovana hetsika manokana rehefa tonga io andro io.
Volana eran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer
Ny volana Septambra dia vola eran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer, ary tafiditra anatin’izany ny andro erantany izay amin’ny 21 septambra. Fotoana iray lehibeao anatin’ny taona izany, hanaovana hetsika goavana ho fanairana sy fahampanfatarana manodidina ny aretina Alzheimer sy ny aretina toa azy. Ny tanjona tratrarina moa dia ny azahoan’ny olona maro isa ny hafatra fototra manodidina ny aretina, ary koa mba hsian’ny firaisankiana ho an’ireo marary sy ny mpitaizany. Fandaharana amin’ny haino amanjery, lahatsoratra amin’ny gazety, kaonferansa isankarazany, sy fizarana amin’ny tambazotra sosialy no anisan’ny fomba hanaparitahana ny hafatra. Maro ny firenena miaramientana mandritry io volana iray io, indrindra fa ireo mpikambana ao amin’ny Federasionina Alzheimer’s Disease International.
Krismasy Firaisankiana
Isantaona dia misy hetsika karakarain’ny fikambanana ho fankalazana mialoha ny fetin’ny krismasy miaraka amin’ireo mpikambana sy ny olona voahasa, mialoha ny hifaranan’ny taona. Misy kilalalao karazany izany hetsika izany, izay tandrify ny kely sy ny lehibe, satria moa matetika dia fianakaviana iray manontolo no miaraka tonga amin’izany.
Tsenan’ny tsy tonta ny ela
Ny fitaovana sy entana karazany efa niasa kanefa mbola azo amboarina sy diovina, dia anisan’ny loharanombolan’ny fikambanana mandritrin’ny Tsenan’ny tsy tonta ny ela, izay hamidianana ireo entana ireo amin’ny vidiny tena mirary tokoa. Eny amin’ny fisasahan’ny taona matetika no misy ity hetsika ity.
Eto izahay hanampy anao
Tsy irery ianao. Na miaina miaraka amin’ny aretina Alzheimer ianao na mikarakara olona voan’ny aretina Alzheimer, dia misy fampahalalana sy tolotra samihafa azonay omena anao.