Mitsabo tsy mamoy fo
Nanomboka tamin’ny taona 1993, ny ONG Madagascar Alzheimer Masoandro Mody no niasa ho an’ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, sy ho an’ny fianakaviany, ary ny zokiolona amin’ny ankapobeny.
Ny fikambanana dia mpikambana ao amin’ny FIZOMA na Firaisamben’ny Zokiolona eto Madagasikara, ary ao amin’ny Federasionina Alzheimer’s Disease International
TANTARAN’NY FIKAMBANANA
Tamin’ny 27 Aprily 1993 no natsangan’i Yollande RASON-ANDRIAMARO, Filoha Mpanorina, ny Fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody. Ny fitaizana ny reniny izay tratrin’ny aretina Alzheimer dia nitondra fijalian-tsaina sy havizanana, noho tsy fahafantarana mihitsy ny momba izany aretina izany tamin’ny fotoana androny.
Mba ho fanampiana ny olon-kafa mety manana havana marary ka tsy mahita izay tokony aleha sy atao, no nahatonga ny Filoha Mpanorina sy ny rahavaviny nifanome tanana ka nanangana ity Fikambanana volaohany eto Madagasikara, misahana ny mararin’ny Alzheimer sy ny aretina toa azy, ary misahana ihany koa ny zokiolona amin’ny ankapobeny, mba tsy ho tapaka ny fiainan’izy ireo amin’ny lafiny ara-tsosialy.
ASA SY TANJONA
Tanjona
Ny tanjon’ny fikambanana dia ny hamaha ny geja 3 izay matetika mahamatotra ny marary, ny fianakaviany ary koa ny zokiolona amin’ny ankapobeny : « fitokanamonina – Fahaketrahana – Aretina »
Ny asanay
Ny asa tena sahaninay :
- Manolotra sehatra sy fiarahamonina miaraka amin’ny fepetra tandrifiy ho an’ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy
- Manabe, mampiofana sy manohana ny fianakaviana momba ny aretina sy ny fepetra tsara raisina anatin’ny fitaizana marary
- Mampahafantatra sy manaitra ny vahoaka momba ny aretina mba tsy ho tonga amin’ny fanilikilihana ny marary anaty fiaraha monina
- Manampy arak’izay azo atao mba hitazomana ny fahaleovantena ara-tsaina sy ara-batana an’ireo marary sy ireo zokiolona
- Mitazona arak’izay azo atao ny fahafahan’ireo zokiolona misehatra amin’ny fiainam-piarahamonina eny na dia efa misotro ronono aza
Ora fisokafan’ny birao
Afaka mitsidika ny biraonay ianao amin’ny ora fisokafana raha liana momba ny asan’ny fikambanana na maniry hitsidika ny ivo-toerana fandraisana ireo zokiolona sy marary.
Mpikambana mandrafitra ny birao
Eto izahay hanampy anao
Tsy irery ianao. Na miaina miaraka amin’ny aretina Alzheimer ianao na mikarakara olona voan’ny aretina Alzheimer, dia misy fampahalalana sy tolotra samihafa azonay omena anao.