---
titre: "Ireo hetsika ataonay"
chemin: "/mg/hetsika"
type: page
format: blocs
langue: mg
groupe_traduction: 01a0de71-15b0-79b8-b4da-9d9ad04ee9d4
description: "Maro be ireo hetsika hataonay isan-taona, toy ny fankalazana ny fitsingerenan'ny taona niforonan'ny fikambanana."
statut: publie
rang_de_menu: 50
libelle_de_menu: "Hetsika"
publie_le: 2026-09-26T15:59:08+00:00
version: 2
---
- type: "entete"
  surtitre: "Hetsika"
  titre: "Ny hetsikin’ny Fikambanana"

- type: "calendrier"
  ancre: "taona"
  surtitre: "Isan-taona"
  titre: "Ny taonan’ny fikambanana"
  evenements:
  - mois: "3"
    quand: "Alahady voalohan’ny volana Martsa"
    titre: "Fetin’ny Renibe"
    texte: "Fantatrao ve fa ny fetin’ny Renibe dia ankalazaina isakin’ny Alahady voalohan’ny volana martsa ? Fotoana iray hanomezana voninahitra an’ireo renibentsika, ary maneho ny fitiavantsika azy ireo. Efa an-taonany maro no hankalazain’ny fikambanana ny fetin’ny Renibe, ary ny fanaovana kilalao « Loto » ho an’ny rehetra no anisan’ny tena mampiavaka ny hetsika ataon’ny fikambanana amin’io andro io. Manasa anao handray anjara amin’ny hetsika !"
  - mois: "4"
    quand: "27 Aprily"
    titre: "Tsingerintaona ny Fikambanana"
    texte: "Ny faha 27 ny volana aprily no tsingerintaonan’ny fikambanana, izay hankalazaina amin’ny fomba tsotsotra miaraka amin’ireo mpikambana mpisitraka sy mpikambana mavitrika. Misy fotoana ihany koa anefa hanaovana hetsika manokana rehefa tonga io andro io."
  - mois: "9"
    quand: "Andro eran-tany : 21 Septambra"
    titre: "Volana eran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer"
    texte: "Ny volana Septambra dia volana eran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer, ary tafiditra anatin’izany ny andro erantany izay amin’ny 21 septambra. Fotoana iray lehibe ao anatin’ny taona izany, hanaovana hetsika goavana ho fanairana sy fampahafantarana manodidina ny aretina Alzheimer sy ny aretina toa azy. Ny tanjona tratrarina moa dia ny azahoan’ny olona maro isa ny hafatra fototra manodidina ny aretina, ary koa mba hisian’ny firaisankina ho an’ireo marary sy ny mpitaizany. Fandaharana amin’ny haino aman-jery, lahatsoratra amin’ny gazety, kaonferansa isankarazany, sy fizarana amin’ny tambajotra sosialy no anisan’ny fomba hanaparitahana ny hafatra. Maro ny firenena miara-mientana mandritry io volana iray io, indrindra fa ireo mpikambana ao amin’ny Federasionina Alzheimer’s Disease International."
  - mois: "12"
    titre: "Krismasy Firaisankina"
    texte: "Isantaona dia misy hetsika karakarain’ny fikambanana ho fankalazana mialoha ny fetin’ny krismasy miaraka amin’ireo mpikambana sy ny olona voahasa, mialoha ny hifaranan’ny taona. Misy kilalao karazany izany hetsika izany, izay tandrify ny kely sy ny lehibe, satria moa matetika dia fianakaviana iray manontolo no miaraka tonga amin’izany."
  - quand: "Eny amin’ny fisasahan’ny taona"
    titre: "Tsenan’ny tsy tonta ny ela"
    texte: "Ny fitaovana sy entana karazany efa niasa kanefa mbola azo amboarina sy diovina, dia anisan’ny loharanombolan’ny fikambanana mandritrin’ny Tsenan’ny tsy tonta ny ela, izay hamidianana ireo entana ireo amin’ny vidiny tena mirary tokoa. Eny amin’ny fisasahan’ny taona matetika no misy ity hetsika ity."

- type: "appel"
  surtitre: "Fanampiana sy fanohanana"
  titre: "Eto izahay hanampy anao"
  texte: "Tsy irery ianao. Na miaina miaraka amin’ny aretina Alzheimer ianao na mikarakara olona voan’ny aretina Alzheimer, dia misy fampahalalana sy tolotra samihafa azonay omena anao."
  actions:
  - libelle: "Mandraisa anjara amin’ny hetsika"
    href: "/mg/ampio-izahay/"
  - libelle: "Fifandraisana"
    href: "/mg/fifandraisana/"

