---
titre: "Tongava manampy ny fikambanana"
chemin: "/mg/ampio-izahay"
type: page
format: blocs
langue: mg
groupe_traduction: 01a0de71-15b0-79d0-b4da-9d9ad137d0a1
description: "Vonona izahay handray ny fanampiana ara-pitaovanao na ara-bola alefan'ny Mvola, na famindrana banky na vola mivantana."
statut: publie
rang_de_menu: 90
libelle_de_menu: "Ampio izahay"
publie_le: 2026-09-26T15:59:08+00:00
version: 2
---
- type: "entete"
  surtitre: "Ampio izahay"
  titre: "Ny fomba hanampianao anay"
  actions:
  - libelle: "Fanomezana amin’ny Mvola"
    href: "#mvola"

- type: "aides"
  ancre: "fomba"
  titre: "Fomba maro hanohananao anay"
  entrees:
  - titre: "Midira ho mpikambana « Sakaizan’ny MASOANDRO MODY »"
    texte: "Ho mpikambana mavitrika mirotsaka an-tsitrapo ianao, manolotra fotoana na fahaizana manokana, na koa afaka mampahafantatra ny asa sy hetsika ataon’ny fikambanana mandavantaona, amin’ireo olom-pantatrao."
    pictogramme: "main"
  - titre: "Mandraisa anjara amin’ny hetsika"
    texte: "Na hetsika fanairana sy fampahafantarana ny aretina, na hetsika fitadiavambola, dia mandray anao hatrany ny fikambanana raha toa ianao maniry hanome tanana."
    pictogramme: "calendrier"
  - titre: "Manaova tolo-tanana tokana"
    texte: "Manolotra fanampiana ara-bola ianao izay mety indray mandeha mandalo, mba ho fanampiana ny fikambanana amin’ny fandaniana maro mila atrehany mba hampizotra ny asany amin’ny tokony ho izy."
    pictogramme: "don"
  - titre: "Manolora fitaovana na/sy akora"
    texte: "Sakafo, fitaovana isan-karazany, sns : mandray izany an-tanan-droa ny fikambanana ho fanampiana an’ireo tetikasany maro, ary tsara ho fantatra fa na fitaovana efa niasa aza, dia raisin’ny fikambanana avokoa ho avaoziny sy ho ampiasainy amin’ny asa fanorenana isankarazany, indrindra ho an’ilay tetikasany eny Ankadiefajoro."
    pictogramme: "colis"
  - titre: "Midira ho mpanohana maharitra"
    texte: "Manohana ny fikambanana amin’ny alalan’ny fandrotsahana fanampiana ara-bola maharitra ianao, arak’izay fahefanao. Hilazàna vaovao matetika momba ny fiainan’ny fikambanana ianao."
    pictogramme: "carte"
  - titre: "Manampia amin’ny fampahafantarana ny fikambanana"
    texte: "Ny firesahanao momba ny fisian’ny fikambanana amin’ireo olom-pantatrao (fianakaviana, mpiara-miasa, namana, sns...) dia manampy be ny fikambanana satria maro ireo izay mbola tsy mahalala ny fisiany kanefa mila ny tolotra ao aminy."
    pictogramme: "voix"

- type: "dons"
  ancre: "mvola"
  surtitre: "Fanomezana amin’ny Mvola"
  titre: "Misaotra anao izahay"
  texte: "Afaka manome tolo-tanana ara-bola ianao amin’ny alalan’ny Mvola, na amin’ny kaontinay any amin’ny banky."
  numeros:
  - numero: "+261 34 45 673 69"
    nom: "Muriel"
    role: "Serasera"
  - numero: "+261 34 50 747 95"
    nom: "Sahondranirina"
    role: "Mpitam-bola"
  apres: |-
    Raha mila fanazavana fanampiny ianao amin’ny fomba tsara indrindra afahanao manampy anay, dia antsoy izahay : **[+261 34 22 612 02](tel:+261342261202)** na manorata : **[madagascaralzheimer@gmail.com](mailto:madagascaralzheimer@gmail.com)**

    Mankasitraka indrindra amin’ny fanohananao !

- type: "appel"
  surtitre: "Botika"
  titre: "Ny entana vokatry ny asa tanana"
  texte: "Mba ho fanampin’ny fidirambolan’ny fikambanana, dia misy ireo entana vokatry ny asa tanana izay andraisan’ny zokiolona anjara. Ny tombom-barotra rehetra azo avy amin’izany dia entina hampiroboroboana ny asan’ny fikambanana."
  actions:
  - libelle: "Jereo ny botika"
    href: "/mg/botika/"

