---
titre: "Fantaro ny momba ny aretina Alzheimer"
chemin: "/mg/alzheimer-inona-tokoa"
type: page
format: blocs
langue: mg
groupe_traduction: 01a0de71-15b0-7934-b4da-9d9acf63292f
description: "Ny aretin'i Alzheimer dia karazana aretina izay misy fiantraikany amin'ny fitadidiana, ny fisainana ary ny fitondran-tena. Fantaro ato izany."
statut: publie
rang_de_menu: 20
libelle_de_menu: "Alzheimer, inona tokoa ?"
publie_le: 2026-09-26T15:59:08+00:00
version: 2
---
- type: "entete"
  surtitre: "Alzheimer, inona tokoa ?"
  titre: "Ny aretina Alzheimer"

- type: "prose"
  ancre: "ny-aretina"
  titre: "Inona no atao hoe aretina Alzheimer ?"
  texte: "Tamin’ny taona 1906 no hitan’i Aloïs Alzheimer, dokotera mpitsabo ny saina sy atidoha tamin’izany fotoana, ny aretina izay nampitondrainy ny anarany. Ny aretina Alzheimer dia mahatonga ny fahasimban’ny selan’ny atidoha, izay mitondra fahaverezan’ny fitadidiana tsikelikely, sy fahasimban’ny fahaiza-miheritreritra, ka mampisy fiantraikany ratsy amin’ny fiainan’ny marary amin’ny andavan’andro. Mihena hatrany hatrany manko ny fahaleovantenan’ilay olona voan’ny aretina Alzheimer. Na dia misy aza ny fandroasoan’ny siansa sy ny fikarohana, dia tsy mbola hita mazava hatreto ny antony tena mahatonga ny aretina Alzheimer, sy ny fanafodiny. Ny aretina Alzheimer dia anisan’ny antony lehibe indrindra mitarika ny « démence » (« démence » dia tsy midika « adalàna » akory, fa voambolana mandrakotra ny karazana tranga sy fihetsika entin’ny aretina Alzheimer sy ny aretina toa azy)."
  fond: "blanc"

- type: "liste"
  ancre: "aretina-hafa"
  titre: "Ny aretina hafa"
  texte: |-
    Misy ny karazana aretina hafa, mitovy fitranga amin’ny aretina Alzheimer, saingy manana ny maha manokana azy koa anefa. Raha ny mampitovy azy, dia eo ny fahaverezan-tadidy (na dia tsy io no tranga tena misongadina voalohany aza), ary eo ihany koa ny fahaverezan’ny fiasan’ny atidoha amin’ny tokony ho izy, ka mitarika fihenan’ny fahaleovantenan’ny marary amin’ny andavanandrony. Anisan’ny aretina sasany toa ny aretina Alzheimer :

    **Ohatra vitsivitsy amin’ny aretina mifandray :**
  points:
  - "« Démence vasculaire cérébrale »"
  - "« Démence à corps de Lewy »"
  - "« Démence fronto-temporale »"
  - "« Démence associée à la maladie de Parkinson »"
  - "« Démence mixte »"

- type: "chiffres"
  ancre: "antontan-isa"
  surtitre: "Antontan’isa"
  titre: "Eran-tany"
  entrees:
  - valeur: "3 segondra"
    texte: "Isakin’ny 3 segondra, dia misy olona iray tratra ny « démence » ary tafiditra indrindra ao anatin’izany ny aretina Alzheimer"
  - valeur: "152 tapitrisa"
    texte: "Ho eo amin’ny 152 tapitrisa eo ny olona ho voan’ny « démence » hatramin’ny taona 2050"
  - valeur: "58 %"
    texte: "58 isan-jaton’ny olona tratrin’ny aretina no avy any amin’ny firenena andalampandrosoana"
  - valeur: "10 %"
    texte: "Any amin’ny firenena andalampandrosoana, dia 10 isan-jato ihany no olona mahazo fitiliana ara-dalana"
  - valeur: "50 %"
    texte: "Mihaotra ny 50 isan-jaton’ireo fianakaviana mitaiza marary no milaza fa niha-simba ny fahasalamany noho ny andraikiny mitombo, fa sady misy ihany ny fijery miabo amin’ny andraikitra sahaniny."
  source: "Loharano : Alzheimer’s Disease International"
  fond: "blanc"

- type: "chiffres"
  ancre: "eto-madagasikara"
  surtitre: "Antontan’isa"
  titre: "Eto Madagasikara"
  entrees:
  - valeur: "40 000"
    texte: "Eo ho eo amin’ny 40 000 eo no isan’ny olona tratrin’ny aretina Alzheimer eto Madagasikara"
  - valeur: "1 amin’ny 3"
    texte: "Raha ny olona manatona ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody, dia olona iray amin’ny telo no mpitaiza efa mitaraina vizana be."
  source: "Loharano : Fahasalamam-bahoaka / Madagascar Alzheimer Masoandro Mody"
  fond: "papier"

- type: "prose"
  ancre: "fambara"
  surtitre: "Fantaro ny aretina"
  titre: "Ny fambara 10 tokony hahamailo momba ny aretina Alzheimer"
  texte: "Anisan’ny tokony hahamailo mahakasika ny aretina Alzheimer ireto fambara 10 ireto, izay mety ilàna fandalinana misimisy kokoa raha hita maromaro amin’ny olona iray. Manatona dokotera na manatona ny fikambanana Madagascar Alzheimer."
  image:
    source: "/medias/2021/11/10-signes-de-la-maladie-dalzheimer.webp"
    alt: "Ny afisy misy ireo fambara 10 tokony hahamailo momba ny aretina Alzheimer, an’ny Madagascar Alzheimer Masoandro Mody sy Alzheimer’s Disease International"
    largeur: 1600
    hauteur: 1131
  cote: "droite"
  fond: "papier"

- type: "appel"
  surtitre: "Fanampiana sy fanohanana"
  titre: "Eto izahay hanampy anao"
  texte: "Tsy irery ianao. Na miaina miaraka amin’ny aretina Alzheimer ianao na mikarakara olona voan’ny aretina Alzheimer, dia misy fampahalalana sy loharano azo alaina."
  actions:
  - libelle: "Fifandraisana"
    href: "/mg/fifandraisana/"
  - libelle: "Tolotra"
    href: "/mg/tolotra/"

