---
titre: "ONG Madagascar Alzheimer Masoandro Mody"
chemin: "/mg"
type: page
format: blocs
langue: mg
groupe_traduction: 01a0de71-15b0-78b8-b4da-9d9acef09df7
description: "Ny ONG Madagascar Alzheimer Masoandro Mody dia fikambanana manampy ny fianakavian’ny olona voan’ity aretina ity, ary manohana azy ireo."
statut: publie
rang_de_menu: 10
libelle_de_menu: "Momba anay"
publie_le: 2026-09-26T15:59:08+00:00
version: 2
---
- type: "ouverture"
  surtitre: "Miaraka tsy mifanary"
  titre: "Mitsabo tsy mamoy fo"
  accroche: |-
    Nanomboka tamin’ny taona 1993, ny ONG Madagascar Alzheimer Masoandro Mody no niasa ho an’ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy, sy ho an’ny fianakaviany, ary ny zokiolona amin’ny ankapobeny.

    Ny fikambanana dia mpikambana ao amin’ny FIZOMA na Firaisamben’ny Zokiolona eto Madagasikara, ary ao amin’ny Federasionina Alzheimer’s Disease International.
  reperes:
  - "Hatramin’ny 27 Aprily 1993"
  - "Fenomanana Mahazoarivo, Antananarivo"
  - "Mpikambana ao amin’ny Alzheimer’s Disease International"
  actions:
  - libelle: "Hanohana anay"
    href: "/mg/ampio-izahay/"
  - libelle: "Alzheimer, inona tokoa ?"
    href: "/mg/alzheimer-inona-tokoa/"

- type: "prose"
  ancre: "tantara"
  surtitre: "Ny fikambanana"
  titre: "Tantaran’ny fikambanana"
  texte: |-
    Tamin’ny 27 Aprily 1993 no natsangan’i Yollande RASON-ANDRIAMARO, Filoha Mpanorina, ny Fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody. Ny fitaizana ny reniny izay tratrin’ny aretina Alzheimer dia nitondra fijalian-tsaina sy havizanana, noho tsy fahafantarana mihitsy ny momba izany aretina izany tamin’ny fotoana androny.

    Mba ho fanampiana ny olon-kafa mety manana havana marary ka tsy mahita izay tokony aleha sy atao, no nahatonga ny Filoha Mpanorina sy ny rahavaviny nifanome tanana ka nanangana ity Fikambanana voalohany eto Madagasikara, misahana ny mararin’ny Alzheimer sy ny aretina toa azy, ary misahana ihany koa ny zokiolona amin’ny ankapobeny, mba tsy ho tapaka ny fiainan’izy ireo amin’ny lafiny ara-tsosialy.
  fond: "blanc"

- type: "engrenage"
  ancre: "tanjona"
  surtitre: "Asa sy tanjona"
  titre: "Tanjona"
  texte: "Ny tanjon’ny fikambanana dia ny hamaha ny geja 3 izay matetika mahamatotra ny marary, ny fianakaviany ary koa ny zokiolona amin’ny ankapobeny : « Fitokanamonina – Fahaketrahana – Aretina »"
  etapes:
  - "Fitokanamonina"
  - "Fahaketrahana"
  - "Aretina"
  actions:
  - libelle: "Hanohana anay"
    href: "/mg/ampio-izahay/"

- type: "liste"
  ancre: "asa"
  surtitre: "Asa sy tanjona"
  titre: "Ny asanay"
  texte: "Ny asa tena sahaninay :"
  points:
  - "Manolotra sehatra sy fiarahamonina miaraka amin’ny fepetra tandrifiy ho an’ireo olona voan’ny aretina Alzheimer na aretina toa azy"
  - "Manabe, mampiofana sy manohana ny fianakaviana momba ny aretina sy ny fepetra tsara raisina anatin’ny fitaizana marary"
  - "Mampahafantatra sy manaitra ny vahoaka momba ny aretina mba tsy ho tonga amin’ny fanilikilihana ny marary anaty fiaraha monina"
  - "Manampy arak’izay azo atao mba hitazomana ny fahaleovantena ara-tsaina sy ara-batana an’ireo marary sy ireo zokiolona"
  - "Mitazona arak’izay azo atao ny fahafahan’ireo zokiolona misehatra amin’ny fiainam-piarahamonina eny na dia efa misotro ronono aza"

- type: "appel"
  surtitre: "Atomboy"
  titre: "Mahatsikaritra fiovana eo amin’ny fihetsik’iny havanao ve ianao ?"
  texte: "Dinio raha sendra tafiditra anatin’ny fambara momba ny aretina Alzheimer izany."
  actions:
  - libelle: "Fantaro bebe kokoa"
    href: "/mg/alzheimer-inona-tokoa/#fambara"

- type: "horaires"
  ancre: "ora"
  surtitre: "Mitsidika anay"
  titre: "Ora fisokafan’ny birao"
  texte: "Afaka mitsidika ny biraonay ianao amin’ny ora fisokafana raha liana momba ny asan’ny fikambanana na maniry hitsidika ny ivo-toerana fandraisana ireo zokiolona sy marary."
  jours:
  - { jour: "Alatsinainy", heures: "08h00 - 16h30" }
  - { jour: "Talata", heures: "08h00 - 16h30" }
  - { jour: "Alarobia", heures: "08h00 - 16h30" }
  - { jour: "Alakamisy", heures: "08h00 - 16h30" }
  - { jour: "Zoma", heures: "08h00 - 16h30" }
  - { jour: "Sabotsy", heures: "08h00 - 11h30" }
  - { jour: "Alahady", heures: "Mikatona", ferme: "oui" }
  adresse: "LOT VK 70 Fenomanana Mahazoarivo, Antananarivo"
  image:
    source: "/medias/2021/11/centre-fenomanana.webp"
    alt: "Ny foiben’ny fikambanana eto Fenomanana Mahazoarivo, Antananarivo"
    largeur: 478
    hauteur: 269

- type: "equipe"
  ancre: "birao"
  surtitre: "Ny ekipa"
  titre: "Mpikambana mandrafitra ny birao"
  membres:
  - nom: "RASON-ANDRIAMARO Yollande"
    role: "Filoha Mpanorina"
    photo: { source: "/medias/2021/11/YOLLANDE.webp", alt: "", largeur: 188, hauteur: 125 }
  - nom: "RAHELIMALALA Sahondranirina"
    role: "Mpitam-bola"
    photo: { source: "/medias/2021/11/SAHONDRA.webp", alt: "", largeur: 188, hauteur: 125 }
  - nom: "RASON-ANDRIAMARO Muriel"
    role: "Mpiandraikitra ny serasera"
    photo: { source: "/medias/2021/11/MURIEL.webp", alt: "", largeur: 188, hauteur: 125 }
  - nom: "RAKOTOZAFY Sylvia"
    role: "Mpiandraikitra ny fianakavian’ny marary"
    photo: { source: "/medias/2021/11/SYLVIA.webp", alt: "", largeur: 188, hauteur: 125 }
  - nom: "RAKOTOMALALA Raymond"
    role: "Mpiandraikitra ara-teknika eny Ankadiefajoro"
    photo: { source: "/medias/2021/11/Rado.webp", alt: "", largeur: 188, hauteur: 125 }

- type: "presse"
  ancre: "gazety"
  surtitre: "Ao amin’ny gazety"
  titre: "Miresaka momba anay izy ireo"
  entrees:
  - source: "Newsmada"
    titre: "Fanabeazana momba ny Alzheimer : niofana ho lasa mpampiofana ny zokiolona miisa 20"
    date: "10 Septambra 2026"
    lien: "https://newsmada.com/2026/09/10/fanabeazana-momba-ny-alzheimer-niofana-ho-lasa-mpampiofana-ny-zokiolona-miisa-20/"
  - source: "Midi Madagasikara"
    titre: "Madagascar Alzheimer Masoandro Mody : un groupe de parole destiné aux familles des patients"
    date: "31 Aogositra 2023"
    lien: "https://moov.mg/article/78549-madagascar-alzheimer-masoandro-mody-un-groupe-de-parole-destine-aux-familles-des-patients"
  - source: "MATV"
    titre: "Alzheimer : formation des « auxiliaires de vie spécialisés »"
    date: "28 Aprily 2017"
    lien: "http://matv.mg/alzheimer-formation-des-auxiliaires-de-vie-specialises/"
  - source: "MATV"
    titre: "Centre de ressourcement des personnes âgées : l’ONG Madagascar Alzheimer réitère son appel aux généreux donateurs"
    date: "22 Septambra 2015"
    lien: "http://matv.mg/centre-de-ressourcement-des-personnes-agees-long-madagascar-alzheimer-reitere-son-appel-aux-genereux-donateurs/"

- type: "partenaires"
  ancre: "mpiaradia"
  surtitre: "Manohana anay"
  titre: "Ny mpiaradia aminay"
  texte: "Noho ny tsy fahampian’ny entimanana, dia tsy afaka ny androso amin’ny asany ny fikambanana raha tsy misy ny fanohanana avy amin’ireo mpiaramiombon’antoka, izay hisaorana feno noho ny tolotanana ataony !"
  partenaires:
  - nom: "Alzheimer’s Disease International"
    logo: { source: "/medias/2021/11/LOGO-ADI-1.webp", alt: "", largeur: 308, hauteur: 300 }
    site: "https://www.alzint.org/member/ong-madagascar-alzheimer-masoandro-mody/"
  - nom: "Fondation Axian"
    logo: { source: "/medias/2021/11/LOGO-FONDATION-AXIAN-1.webp", alt: "", largeur: 308, hauteur: 141 }
  - nom: "ASOMA Masoandro Mody"
    logo: { source: "/medias/2021/11/LOGO-ASOMA-1.webp", alt: "", largeur: 308, hauteur: 308 }
  - nom: "Club 1808"
    logo: { source: "/medias/2021/11/LOGO-CLUB-1808.webp", alt: "", largeur: 500, hauteur: 500 }
  - nom: "Klung Malagasy"
    logo: { source: "/medias/2021/11/LOGO-KLUNG-MALAGASY-1.webp", alt: "", largeur: 308, hauteur: 308 }
  - nom: "Rebareba Madagascar"
    logo: { source: "/medias/2021/11/LOGO-REBAREBA-MADAGASCAR.webp", alt: "", largeur: 600, hauteur: 794 }
  - nom: "CECT et CDN+, Dr RAHARISON Andrianaina"
    logo: { source: "/medias/2021/11/Dr-RAHARISON-Andrianaina-CDN-1.webp", alt: "", largeur: 308, hauteur: 122 }
  - nom: "GNTP"
    logo: { source: "/medias/2021/11/GNTP.webp", alt: "", largeur: 308, hauteur: 308 }
  - nom: "Cabinet Abita"
    logo: { source: "/medias/2021/11/LOGO-CABINET-ABITA.webp", alt: "", largeur: 308, hauteur: 229 }

- type: "appel"
  surtitre: "Fanampiana sy fanohanana"
  titre: "Eto izahay hanampy anao"
  texte: "Tsy irery ianao. Na miaina miaraka amin’ny aretina Alzheimer ianao na mikarakara olona voan’ny aretina Alzheimer, dia misy fampahalalana sy tolotra samihafa azonay omena anao."
  actions:
  - libelle: "Fifandraisana"
    href: "/mg/fifandraisana/"
  - libelle: "Hanohana anay"
    href: "/mg/ampio-izahay/"

